Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                

The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Venezuela Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Venezuela

2008-10-06

Arts & Culture ,
Humor

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro nasehon'ny filoha Chávez tenany: Manana ny loko menan'ny marika avy any Etazonia (US) Converse Chuck Taylor All Stars, misy ny sary famantaran'ny PSUV misolo ny loko mena sy kintana manga mahazatra ireo kiraro ireo. Manontany tena ny amin'izay toerana nividianana ireto kiraro Venezoeliana “original” ireto ny mpanoratra.

2008-07-23

War & Conflict ,
International Relations

Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LJ  Politika v Rossii (RUS) no nitsapa ny hevitry ny mpamaky raha tokony araraotin'i Russia ny fanomezan-tanan'ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ny hanorenana toby miaramila (Rosiana) any Venezoelà. Tena lasa lavitra tokoa, fa nanaiky ny hevitra ny 70%n'ny nanambara ny heviny rehefa nojerena ny valiny.

2008-01-22

Business ,
Cyber-Activism

Manorotoro ny fomba fifidianana ny mpikambana parlemanta Kiobana i Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) ary indro kosa ny nampitain’i The Cuban Triangle  mikasika ny “fiaraha-miasa ara-toe-karena eo amin’ny Kioba sy Venezoela vokatry ny fifanarahana hiaraka hanao tetiksa miisa 76 mitentina $1.300.000.000 nosoniavina omaly.”

2007-12-03

Kiobà : Nifidy « Tsia » ny tany Venezoelà

Ny mpiblaogy Child of the Revolution [Zanaky ny Revôlisiona] dia : « with great interest for the Castro regime's response » « tsindrian-daona eo am-piandrasana izay havalin'ny fitondran'i Fidel Castro » ny “Tsia” izay nosafidian'ny mponina tany Venezoelà asetry ny soso-kevitry ny filoham-pirenena Hugo Chavez hanova ny lalàm-panorenana.

2007-11-25

Haïty : Tsena vaovao manara-penitra ao Port-au-Prince

Ny blaogy Collectif-haiti-de-provence dia manoratra momba ny Tsena Vaovao izay haorina any Port-au-Prince, izay vokatry ny fiaraha-miasan'i Haity sy Venezoelà : « Le Centre-Ville, précisément la Croix-des-Bossales où se sont installés plusieurs milliers de marchands, sera doté dans six mois d'un marché public moderne. [...] Financés par le gouvernement haitien et le ...