Location via proxy:   [ UP ]  
[Report a bug]   [Manage cookies]                

The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Azerbaijan Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Azerbaijan

2008-11-01

Arts & Culture ,
Ethnicity

Manome voninahitra ilay Miozolmana Magomayev ny bolongan'ny fikambanana politikan'ny raharaham-bahiny Russia, “ilay sovietika tsy misy fangarony malaza sy mamirapiratra” izay “manana taleta sy nahavita zavatra maro: olona mendri-piderana tokoa nefa artista anisambahoakan'ny Firaisana Sovietika; Mpampianatra opera mahay ny tendrin'i Sinatra; taranaka fianakaviana artista sy mpitsoka mozika avy amin'ny sarangan'ireo tsy noheverina loatra; mpivezivezy any amin'ny toerana maro ary efa nisoho sehatra tao amin'ny La Scala ary nahalany tapakila sy nahafeno an'i Paris Olympia nefa tsy nivena tamin'ny fizakany ny zom-pirenena Sovietika ary niverina nody mandrakariva; ;  ‘Harem-pirenena’ niakatra tsikelikely anivon'ny fiaraha-monina any Moskoa, nefa tsy nanapaka mihitsy ny fifamatorany akaiky amin'ny Bakò niaviany.”

2008-10-21

Development ,
War & Conflict

Pigh [RU] indray no miresadresaka ny mariazy notontosaina tamin'ny herinandro teo natao tao amin'ny Repoblika nanambara samirery ny fahaleovantenany dia i Nagorno Karabakh izany. Nolazain'ny bolongana fa 537 ny isan'ny mpivady vao tao amin'ilay tanàna miadin'i Shushi raha 138 ny isan'ny (mpifamofo) nifanao voady tao amin'ny monasiteran'ny Gandzasar. Nandray vola $2,500 avy amin'ny mpiahy, dia ilay mpandraharaha Levon Hayrapetyan, avokoa ny mpivady tsirairay ho fanampin'ny fampanantenana fa mbola misy ny vola omena azy ireo isaky ny misy ny zaza ateraky ny mivady any aoriana any.

2008-10-06

Elections ,
Politics

Eny an-dalana ho any Azerbaijan i The Continuing Adventures of Super Steve (Ny tohin'ny tantaran'ilay mahery Steve) hanaramaso ny fifidianana ho filoham-pirenena any amin'io firenena io amin'ny 15 Oktobra ho avy izao. Milazalazazava-bitsivitsy momba an'Azerbaijan ho an'ny mpamakiny ny bolongana ary manambara ihany koa ny fomba  fiasan'ny vondrona iraisam-pirenena OSCE/ODIHR mpanaramaso ny fifidianana.

2008-07-24

Media ,
International Relations

Michael J. Totten's Middle East Journal no mitatitra fa hitsidika an'i Azerbaijan amin'ny volana ambony hanatrika valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia sy izay zavatra mifandraika aminy any an-toerana. Mitady fanontaniana azo apetraka hoan'ny mpitondra fanjakana any (Azerbaijan) sy mpitondra fivavahana ary ny mpandraharaha avy amin'ny mpamaky azy ny bolongana.

2008-07-12

Arts & Culture ,
History

Blogian no miresadresaka amintsika ny fampidirana ny monasitera Armeniana 3 any Iran ho ao anaty ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena alahatry ny  UNESCO. Raha nahafaly ny mpamaham-bolongana izany hetsika izany, dia nahasosotra azy kosa ny tsy nihetsehan'ny UNESCO raha nisy vohitra Armeniana any ankodahodan'i Azerbaijan any Nakhichevan rava.

2008-01-05

Azerbaijan: Izay Benazir Bhutto ve?

Manahy fampitandremana tamin'ny famonoana an'i Benazir Bhutto ao Pakistan i Marilisa Lorusso's blog . Ao Azerbaijan, ohatra, noho ny fikisahana tsikelikely ho amin'ny firoboroboan'ny fivavahana silamo mahery fihetsika dia zara raha nisy ny adihevitra ny amin'izay mety ho tompon'andraikitra hafa tamin'ny famonoana iny tany an-toerana.  Onnik Krikorian

Nagorno Karabakh: Fampitandremana farany

Nitroatra i Blogian raha nandre ny ny tenin'ny Filoha Azerbaijaney, Ilham Aliyev, nampitandrina farany ny foko Armenians miaina ao amin'ny faritra nitono-tena ho Republikan'ny Nagorno Karabakh — hitolo-batana amin'ny fitondrana Azerbaijaney na miala ny firenena. Onnik Krikorian