Ekenay , ankatoavinay,takianay ny fahafahana milaza ny fiarovana ny zo âhilaza sy ny zo-hihaino.
Takianay ny zonâny isam-batanâolona sy ny daholo-be hanana ny fitaovana filazana sy fampielezana rehetra.
Noho izany, ihezahanay homena izany fitaovana izany izay rehetra te-hampilaza ary koa izay te-hihaino azy ireo.
Noho ny fandrosoana ara-tekinika ankehitriny,tsy ampelatananâireo vitsy anâisa irery intsony ny fitaovana famoahana sy fampielezana. Tsy voa-gejanâizy ireo intsony ny fahafahana misaina, miteny, mifandray sy mifanakalo hevitra. Tsy azonâny mpitondra sy manam-pahefana ferana intsony koa izany fahafahana izany.
Zonâny tsirairay izao ny fahafahana manoratra ; zonâny tsirairay ny mitantara izay tiany ho tantaraina aminâizao tontolo izao.
Ihezahanay ny fanorenana teteza-mita hampifandray ny olona, hihoatra ny fefy sy antsana ara-koltoraly sy ara-pitenenana mampisaraka azy ireo,hifankalalany kokoa.
Ihezahanay ny hampivelatra sy hanamafy ny fiaraha-miasa,hitomboanâny vokatry ny asa.
Inoanay tokoa fa ny fifandraisana mivantana no lalam-pahombiazana. Ny fehim-pifandraisana ny teran-tany samihafa fihaviana dia manana hery manokana, ho anâny tsirairay sy ara-politika, mahery vaika tokoa.
Inoanay marimarina fa ny adi-hevitra mihoatra ny faritrinâny tany isanâisany no fitaovana mahomby indrindra hanorenana ampitso vaovao, hanjakanâny fahafahana sy ny rariny, hamokarana arena maharitra sy marim-pototra.
Na miasa sy misaina ary miteny aminâny fomba samihafa ara-pihaviana aza izahay, ny zo sy zava-kendrena kosa no itambarana:
Ny teny ierana dia ny hifanaja, hifanampy, hifampihaino, hifampianatra.
IZAHAY NO âFEONâ IZAO TONTOLO IZAOâ
Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany
- Y sin embargo, algunos todavÃa creemos que un mejor paÃs es posible
Tohiny »