Location via proxy:   
[Report a bug]   [Manage cookies]                

The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Manangona, mampiseho ary mampivoitra ny fifampiresahana antserasera manerantany ny Globalvoices online sady mamoaka ny vaovaon ny toerana sy vahoaka tsy voaresaky ny fampahalalambaovao hafa


2008-10-06

Venezuela

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro nasehon'ny filoha Chávez tenany: Manana ny loko menan'ny marika avy any Etazonia (US) Converse Chuck Taylor All Stars, misy ny sary famantaran'ny PSUV misolo ny loko mena sy kintana manga mahazatra ireo kiraro ireo. Manontany tena ny amin'izay toerana nividianana ireto kiraro Venezoeliana “original” ireto ny mpanoratra.

Chili: Mpianatra namoaka lahatsary fohy momba ny “fitandrohana”This is a Video post

Tohiny Mpianatra ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manokana no namoaka lahatsary fohy mitondra ny lohateny hoe "Mitandroka (Bullying)" mba hizarany ny fomba fijeriny momba ny famonoantena eo amin'ny tanora sy izay mety ho antony hanaovana izany. Tamin'ny alalan'ny fihetsiky ny vatana sy ny tava maneho hevitra no tena nandefasany ny hafatra, handravana ny elanelanan'ny tsy fifankahazoana fitenenana ka nataony izay hahazoan'ny rehetra ny lahatsary fohy novokariny.

Colombia

Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin), no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas, izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao sambany ho an'ny Kolombiana.

Palestine

Mitanisa ny zavatra mahakivikivy azy tao ho ao izay iVika, izay monina any Jerosalema, ary anisan'izany koa ny  zavatra vao najoro vao haingana: “Mihatra amin'ny taolana ny maharary ahy tamin'ity volana ity raha vao fantatro fa hay ity katrokatroka sy ny tombotomboka mafy dia mafy re nandritra ny fotoanan'ny hafanana ity ka fanombohan'asa fananganana rindrina hanodinana tanàna kely iray hanasarahana azy amin'i Jerosalema sy izay manodidina azy.”

Azerbaijan

Eny an-dalana ho any Azerbaijan i The Continuing Adventures of Super Steve (Ny tohin'ny tantaran'ilay mahery Steve) hanaramaso ny fifidianana ho filoham-pirenena any amin'io firenena io amin'ny 15 Oktobra ho avy izao. Milazalazazava-bitsivitsy momba an'Azerbaijan ho an'ny mpamakiny ny bolongana ary manambara ihany koa ny fomba  fiasan'ny vondrona iraisam-pirenena OSCE/ODIHR mpanaramaso ny fifidianana.

Thailand

Mankalaza ny fety isantaonan'ny mpifady hena ny fokonolona Shinoa mipetraka any Thailand. Jereo sao mahaliana anao ireto sary manaraka ireto.

Nepal

Minerva's Crossing no sondriana tamin'ny kabarin'ny praiminisitra, sady lehiben'ny mpioko taloha,  Pushpa Kamal Dahal (Prachanda) nataony tao New York ary nanambara hoe: “afa-miova ny vondrona mpioko, rehefa vonona ny hiroso ho amin'izany”.

2008-10-03

Japàna : Fampiratiana RôbôThis is a Photos post

Edo no manapariaka ao amin'ny blaogy Pink Tectacle sarin'ireo Rôbô vaovao sy tranainy izay ampiratiana mandritra ny CEATEC 2008, any Chiba, any Japàna. Â